FFIFAMINDRAM-PITANTANANA TEO ANIVON’NY MANAMAHEFA MPANDRINDRA NY
TSENAMBARO-PANJAKANA : FANAMAFISANA NY FITOHIZAN’NY ASA
SY FANOMEZANA VOKATRA AZO TSAPAIN-TANANA
Taorian’ny filankevitry ny Minisitra natao ny 17 Jolay 2026 izay nanendry ireo Tale dimy vaovao ao amin'ny Manamafeha Mpandrindra ny Tsenambaro-panjakana (ARMP), dia tontosa ny Alarobia 12 Aogositra 2026 teo ny lanonana famindram-pitantanana tao amin’ity rafitra ity..
Anisan’ireo Tale vaovao nandray ny andraikiny tamin’izany:
- Andriamatoa AVINIANJARA Sarobidy, Tale misahana ny Fitsirihana Anatiny (Directeur de l’Audit Interne – DAI) izay nandimby an’Andriamatoa JAONASY Anivosoa;
- Andriamatoa RASAMOELINA Rija, Tale misahana ny Fanofanana sy ny Fitahirizan-kevitra (Directeur de la Formation et de la Documentation – DFD) izay nandimby an-dRamatoa RAHETLAH Herilala.
Natrehan’Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Zo, Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy Ramatoa RAHETLAH Herilala, Tale Jeneralin’ny ARMP ny lanonana. Notsipihan’izy ireo nandritry ny fifamindrana ofisialy ny fitohizan’ny asa aman-draharaha ary naneho ny fahavononany hanohy ireo ezaka efa natomboka sy hitondra fanatsàrana amin’ny fomba fiasa sy ny fanatanterahana ny andraikitra sahaniny ireo Tale vaovao.
Etsy ankilany, nanamafy ny maha-zava-dehibe ny firaisankina, ny fifampitokisana ary ny fiaraha-mientan’ny mpiasa rehetra eo anivon’ny ARMP Andriamatoa Talen’ny Kabinetra. Notsindriny fa ilaina tokoa izany ho fanatanterahana amim-pahombiazana ny iraka iombonana, indrindra ho fisorohana sy iadiana amin’ny kolikoly, ary hanamafisana ny mangarahara asy hanatsàrana ny fitantanana eo amin’ny sehatry ny Tsenambaro-panjakana.
Nohantitranteriny ihany koa fa teknisiana efa niasa tao amin’ny ARMP ny ankamaroan’ireo Tale vaovao ka tombony amin’ny fanatanterahana haingana sy mahomby ireo asa fanatsàrana andrasana amin’izy ireo ny fahafantarany ny zava-misy sy ny fomba fiasa eo anivon’ny rafitra noho ireo traikefa efa ananany. Mifanaraka indrindra amin’ny tanjona fahazahoana vokatra mivaingana sy misy fiantraikany amin’ny toekarena ary amin’ny fiainan’ny mponina izany, ka natao ho isan’ireo laharam-pahamehan’ny Fitondràna Fanavaozana.
Naneho ny fahavononany hanatanteraka ny andraikiny amim-pahitsiana, anaty mangarahara ary amim-panajàna ireo fitsipika sy soatoavina mifehy ny asam-panjakana ireo mpitantana sy ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Manampahefana Mpandrindra ny Tsenambaro-panjakana.